airtel

Fifamoivoizana

03-déc-2025

Fiara nifaoka mpianatra teny Tsarasaotra

Voaporofo fa mamo ilay mpamily

Sample post image

Voamarina tanteraka taorian’ny

03-déc-2025

fanadihadiana natao fa mamo ilay mpamily nifaoka mpianatra teny Tsarasaotra afak'omaly Alatsinainy 01 Desambra hariva. Mpianatra 5 mianadahy no naratra rehefa niampita ny arabe raha tsiahivina, tokony ho tamin'ny 05 ora hariva tany ho any, ora firavan'ny mpianatra. Nalefa haingana teny amin'ny hoputalim-panjakana HJRA Ampefiloha moa ireo ankizy naratra ireo ary efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy. Notanana sy notazonina hatao fanadihadiana kosa ilay mpamily. Tsiahivina moa fa ny 80%-n'ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika dia vokatry ny olana ara-teknika mety mahazo ilay fiara. Avy amin'ilay mpamily kosa ny 20% toy ny fandehanana mafy sy fandraisana zava-pisotro mahamamo eo am-pamiliana tahaka izao. Olona 10 isan'andro no mamoy ny ainy eto amintsika vokatry ny lozam-pifamoivoizana.
Pati
Légende : Tahaka izao no fisehon'ny loza !

 

Dans la même rubrique