airtel

Fifamoivoizana

31-mars-2022

Fifamoivoizana

Fikambanana kodiaran-droa “Misy te hamboly korontana eto Antananarivo”

Sample post image

Naseho am-pahibemaso tetsy Anosy omaly ny alalana na ‘’recépicé” mampahafantatra fa ara-dalana ny fikambanana kodiaran-droa na AKD izay miahy ireo mpitatitra amin’ny “taximoto”

31-mars-2022

 ary manana ny sata mifehy azy ireo manokana. Manentana ny mpisehatra rehetra izay mbola tsy tafiditra anatin’ny rafitra mba hanatona ny foibe eny 67ha, hoy ny filohan’ny AKD, Ramamonjisoa Fulgeance. Manoloana ny resaka tolo-dalana ho aroso momba ny “taximoto” dia efa napetraka any amin’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo ity sata ity, hoy izy. Manentana ireo mpanolontsaina izahay ary miangavy mba handany ny tolo-dalana izay heritreretina hampandrosoana ny tanora ity satria famoronana asa io. Olona 1 no entinay fa tsy maro toy ny an’ny taxi sy taxibe. Voaresaka teo fa manendaka sy mangarom-paosy ny moto. Misoroka izany ity fikambanana ara-dalana ity ary nasianay karatra na “badge” manokana ny mpikambana. Misy kaody bara io. Hisy ny fanisana iarahanay amin’ny kaominina, hoy hatrany izy. Misy olona te hamboly korontana eto Antananarivo dia mampiady ny “taxi” sy “taximoto”, hoy ny mpitatitra, Andrianarintsoa Hoby Nicolas, ka miantso antsika tsy hanaiky atao fitaovana politika. Samy mahalala ny rehetra fa mamaha olana ny “taximoto”, hoy izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap