raha ny fampitam-baovao voaray momba ny lalana mirefy 12km mampitohy an’I Soavinandriana Itasy sy ny kaominina ambanivohitr’I Mananasy. Sahirana ny moto vao tafavoaka eo, hoy ireo mponina. Ireo lalana tapaka sy lasan’ny rano hafa moa efa tsy hita intsony izay hilazana azy. Ny sasany efa ela nietezana. Ny sasany voalaza ho vao vita tamin’ny taon-dasa kanefa dia ireny niaraha-nahita fa nentin-driaka ireny. Ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ny RN6, ny RN1 Bis mampitohy an’I Tsiroanomandidy sy Morafenobe sy ireo hafa maro be, raha tsy hilaza afa-tsy ireo fahasimban-dalana nitranga tao anatin’izao fiandohan’ny taona izao vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso fotsiny. Ny eto Antananarivo moa ambara hatrany fa hanaovana teleferika na dia nilaza aza ny filoham-pirenena, farany teo, fa hajanona daholo ny foto-drafitrasa fa imasoana ny sosialim-bahoaka. Ho atao ihany indray, hono, izany ilay teleferika na dia mbola mitoetra koa aza ny olana goavana amin’ny resaka famatsiana herinaratra miaraka amin’ny JIRAMA. Sady anaty fonon-teny izay fa rehefa mijery ny firoborobon’ny fahapotehan-dalana eto Madagasikara dia lasa ihany ny sain’ny mpanara-baovao sasany hoe kely sisa dia fiaramanidina no hany hahafaha-mifamoivoy eto. Firy isan-jatontsika malagasy anefa izao no mety hahatakatra ny saran’izany ?
J. Mirija