airtel

Fifamoivoizana

13-oct-2021

Fifamoivoizana

Fitateram-bahoaka Andoharanofotsy Nitokona ny KOFITA, fiara 10 sisa no niasa

Sample post image

Nitokona ny mpamily sy ny mpanampy azy amin’ny zotra KOFITA ( Koperativa Fitaterana Tantsaha) mampitohy an’Andoharanofotsy amin’Ambohijanaka omaly maraina

13-oct-2021

. Raha taxibe miisa 40 ka hatramin’ny 50 isan’andro no tokony hiasa dia tsy nisy afa-tsy 10 izy ireo omaly. Anisan’ny antony niteraka ny fitokonana raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny koperativa Rakotonarivo Fanomezantsoa ny famindrana toerana ny tobim-piantsonana ho lasa any amin’ny 1 km talohan’ny nisy azy teo aloha. Mijaly fatratra ireo tantsaha mitatitra entana, ireo ankizy mpianatra, ireo mpiantsena vokatr’izany indrindra raha vantany vao hariva ny andro. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia efa tongan’ny mpanendaka sy ny mpanao sinto-mahery ihany koa eny an-toerana. Ny kaominina Andoharanofotsy moa no namindra toerana ny tobim-piantsonan’ny taxibe ao amin’ny zotra-pitaterana KOFITA. Noho ny fitohanana lavareny ateraky ny fijanonan’izy ireo eo amin’ny sisin-dalana eny Andoharanofotsy no voalaza fa antony mahatonga izany fanapahan-kevitry ny kaominina izany. Efa nisy moa ny fifampidinihina tsy niato teo amin’ny roa tonta ka anisan’ireny ny mpamily sy ny mpanampy azy ary ny Ben’ny tananan’Andoharanofotsy. Toraka izany koa ity tompon’andraikitra farany sy ny Ben’ny tananan’Ambohijanaka ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap