Efa ela no niresahana ny karazana hagegen’ny fiara fiteteram-bahoaka na fitaterana iombonana eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny resaka fiodinana an-dalana eo. Eo koa ny fanariana mpandeha an-dalana. Sahin’ireo Taksibe mihitsy ny mametra ny isan’ny mpandeha na dia mbola fiara faran’izay malalaka aza ary amin’ny ora fisokafan’ny biraon’ny mpiasa na manakaiky izany. Matetika hita izany, ohatra, amin’ny zotra 119 alaina etsy Ankatso. Eo indrindra koa, izay mifandraika amin’izany rehetra izany hatrany, ny fiandaniana amina zotra tokana rehefa takariva. Isan’ny tena mampikolay ireo mpandeha, raha ny fitarainana voaray, ny afitsoky ny zotra 154 maka olona eo Tanjombato sy maka olona eo Amboditsiry. Izay mandalo rehetra dia manao ny zotra C avokoa rehefa mipaika ny eo amin’ny 4 ora hariva eo. Vitsy dia vitsy ireo manao 154 A sy 154 B. Tsy misy tomponandraikitra afaka mandrindra ve, ohatra, hoe misy mandalo manao A miisa 2 dia avy eo indray B miisa 2 ary C miisa 2? Toy izany koa ny resaka filaharan’ireo mpandeha mba isorohana hatrany ny tsy fandriampahalemana toy ny haro-paosy sy halatra madinidinika? Hatreto, tsy isalasalàna ny milaza fa mampijaly mpandeha ireo fitaterana iombonana eto Antananarivo sy ny manodidina ka andrasana ny fanaraha-maso sy fandraisana fepetra hentitra ho an’ireo izay manohy tsy fahamendrehana, raha ireo fitarainana voaray avy amin’ny olompirenena samihafa hatrany.
J. Mirija