airtel

Fifamoivoizana

05-mars-2026

Fitohanana Antanimena

hihazo Ankazomanga

Sample post image

Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka

05-mars-2026

Efa ela mihitsy no tsy nisy vahaolana iny fitohanana midina avy eo Antanimena hivily ho any Ankazomanga iny. Lalan-kitan-kisoa hatrany vokatr'izany ho an'ireo fiara fitateram-bahoaka na taksibe ny mivily lalan-kafa, izany hoe, miodina any Vasakaosy, mba hanafainganany ny dian'izy ireo. Vokatr'izay dia voatery midina eo amin'ny tobin-tsolika eo izay mpandeha tokony hiala eo amin'ny "bassin" sy eo Ankazomanga. Maraina be, araka izany, dia efa manary an-dalana ireo mpitatitra. Ny zotra 147 sy 178 miloko manga moa no tena mampitaraina ireo mpandeha. Isan'ny fanazavana voaray hatramin'izay mikasika ny anton'ny fitohanana ny fahateren'ny lalana. Andrasana hatrany, araka izany, ny vahaolana avy amin'ireo tomponandraikitra mahefa.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique