airtel

Fifamoivoizana

16-déc-2021

Fifamoivoizana

Fitrandrahana ny seranam-piaramanidina vaovao Nahitsy ireo fifanarahana mamono antoka ny fanjakana

Sample post image

Vita omaly 15 desambra 2021 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ihany ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Ravinala Airports izay ao anatin’ny Vondrona Meridiam,

16-déc-2021

 momba ny fitantanana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be, nasiam-panavaozana. Fotodrafitrasa izay heverina fa hisy akony ara-toekarena, fizahantany,… Marihina fa ny 2016 no nanomboka ny tetikasa fanitarana tamina velarana 17 500 m² nisy fampisam-bola 220 tapitrisa euros, ka ho setriny dia mandritra ny 28 taona no hitantanan’ny Ravinala Airports an’ Ivato sy Nosy Be. Ny 45% tamin’ny vola avy amin’ny Meridiam, 35% avy amin’ny Aéroport des Paris, 10% avy amin’ny Bouygues Bâtiment International, ary 10% avy amin’ny Colas. Ny janoary 2020 no tokony natolotra ny fotodrafitrasa, izay afaka mandray mpandeha 1,5 tapitrisa isan-taona eo farafahakeliny. “Betsaka ny zavatra niseho tao anatin’ny roa taona, tsy maintsy nojerena ny tombotsoan’ny Malagasy, ny tombotsoan’ny kaompania Malagasy. Tao anatin’ny taona maro, volana maro, dia nisy ny fivoriana izay notarihiko, mba hisy fiantraikany kokoa amin’ny Malagasy ny fitantanana izany satria tsara ihany no milaza fa tsy tompony intsony isika ankehitriny”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Ny Ravinala Airports no hitantana azy manomboka eto. Raha 28 taona no fe-potoana dia isika nijery antsipirihany, ka nahita fa tokony hahena ny fe-potoana, raha ny nambarany. Notakiana hampitomboana arivo folo heny ny hofan’ny toerana ampiasain’ny Air Madagascar izay tsy nekentsika, ka notazonina amin’ny teo aloha. Tsy nekena ihany koa ny “redevance de stationnement” nakarina mba tsy ho tombony mangataka atiny isika, ary tena nampifanditra mihitsy, ka nahena 50% ny haba na hetra alohan’ny fiaramanidin’ny Air Madagascar rehetra. Ny “redevance fixe » nampiakarina ka raha 3 tapitrisa euros, dia nakarina 4 tapitrisa euros, raha ny nambaran’I Andry Rajoelina. Tsy maintsy napetraka ho manana petra-bola na “actionnaire” ny Sofitrans ho an’ny lafiny “Duty free”. Tsy maintsy mijery ny resaka tapakilan’ny fiaramanidina, raha vao lafo ny hetra sy haba hoentina mamerina ny vola nanaovana ny famatsiam-bola, ka nahena taorian’ny fifandresen-dahatra goavam-be, hoy hatrany I Andry Rajoelina.

Manomboka anio dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny Ravinala Airports eny Ivato taorian’ny fifanaovan-tsonia omaly, ka andrasana ny endrika mety hisehoany. Ho avy hitokana sy hanokatra ofisialy ity fotodrafitrasa nataon’ny Fanjakana Rajaonarimampianina ity ve I Andry Rajoelina? Sa tsy hisy fanokanana ofisialy fa tonga dia vitan’ilay fanambarana omaly tetsy Iavoloha fa misokatra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap