airtel

Fifamoivoizana

05-sept-2022

Fifamoivoizana

Fitroafana Talatamaty Noraisina ara-teknika ilay lalana nasiam-panamboarana

Sample post image

Vita soamantsara ny lalana ao amin’ny VC1 Fokontany Fitroafana, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

05-sept-2022

Ny faran’ny herinandro teo no noraisina ara-teknika izany, notarihin’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic sy ireo ekipa nandray an-tanana ny asa fanamboaran-dalana. Raha tsiahivina kely dia roa volana latsaka izay no nanamboarana ity lalana ity izay natao rarivato. Nandratra olona sy namotaka hatrany izy io isaky ny fotoam-pahavaratra teo aloha hany ka tsy vitsy ireo nitondra takaitra indrindra fa ireo ankizy madinika sy ny zokiolona. Nanentana ireo mponina ao amin’ity Fokontany ity araka izany ny Ben’ny tanana mba hikajy sy hanaja ny foto-drafitrasa iombonana tahaka izao ho tombontsoan’ny rehetra. Ny tsy mahay manaja sy ny tsy manana mantsy raha ny nambarany dia mitovy ihany. Hitohy any amin’ny Fokontany hafa indray moa ny asa fanamboarana izay marihina fa lalana kaominaly avokoa. Toraka izany koa ny asa fanamboarana sy fanitarana ny tsena raha tsy latsa-danja amin’izany ny fanavaozana ny biraon’ny kaominina.
Pati
Legende : Nandritra ny fandraisana ara-teknika ny lalana tamin’ny Sabotsy teo
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap