teny Fitroafana Talatamaty, RN 52 - PK 02 + 600 teo akaikin'ny Autodiffusion afak'omaly Alatsinainy 16 Martsa. Zoky Ray aman-dReny 51 taona, mamo, nandeha tamin'ny sisin'arabe, tsy ambony trottoir no nodomin'ny fiara nirimorimo izay nentina zoky Tay aman-dReny 58 taona, mamomamo, ihany koa. Lavo nianjera ilay mpandeha tongotra ary naratra mafy vokatr'izany. Ilay Zoky Ray aman-dReny nandòna koa nandritra izany tsy nisalasala fa nanohy ny diany nitsoaka na dia efa avy nanao lozam-pifamoivoizana aza.Nenjehin'ny zandarimaria PA_Mandrosoa ity farany ka tratra soa aman-tsara tany Antanetibe Antehiroka. Nampangain'ny retroviseur latsaka teo amin'ny toerana nisian'ny loza moa ilay ranamana. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ny maratra. Nogiazana am-balan-tsazy kosa ny fiara ary notanana sy nofotorina ny mpamily.
Pati
Légende : Teto no toerana nitrangan'ny loza !