amin’ny CAPSAT Soanierana ny lanonana ara-miaramila fanolorana fitaovana ho an’ny « Génie Militaire », notronin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika na ny PRRM, Kolonely Michaël Ranrianirina, ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison ary ireo mpanolotsaina ambony efatra. Tafiditra ao anatin’ny fitaovana natolotra ny : kamio HOWO telo, kamio benne telo, compacteurs vibrants telo, concasseurs telo afaka manapotika vato 5 ka hatramin’ny 15 taonina isan’ora, pelles hydrauliques telo, ary tractochargeur iray, miaraka amin’ny kojakoja fanolo rehetra. Nohamafisin’ny PRRM fa tsy voafetra amin’ny fiarovana ny firenena intsony ny tafika malagasy, fa lasa mpandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana. Efa misy miaramila avy amin’ny Génie manao fiofanana ao amin’ny Samcrete sy mandray anjara amin’ny asa fanamboaran-dalana. Nanambara ihany koa ny Filoham-pirenena fa mikasa hamorona fotodrafitrasa indostrialy miaraka amin’ny Groupe Tsingshan, ahitana toby famokarana herinaratra amin’ny arina, ho fanamafisana ny fahaleovantenan’ny firenena amin’ny sehatra angovo sy indostria. Nisy ihany koa fangatahana amin’ny vondrona sinoa mba hanaparitahana fitaovana dialyse any amin’ny faritra rehetra. Tamin’io lanonana io dia nitsidika ny SIDEMA (orinasa mpamokatra vy eto Madagasikara) izay tafiditra ao amin’ny CAPSAT saingy tantanan’ny mpandraharaha ivelany, ary nangatahana ny hampiverina azy eo ambany rafitra miaramila. Ankoatra izany dia nisy kianja baolina kitra vita amin’ny “gazon synthétique” naorina tao amin’ny toby CAPSAT. Nanambara ny Filoham-pirenena fa hanangana fotodrafitrasa mitovy amin’izany tsikelikely any amin’ny toby Zandarimaria sy ny Polisim-pirenena, ary mbola hitohy ihany koa ny asa fananganana « tribune » na fipetrapetrahana.
Toky R