ny Fitondram-panjakana na dia efa namoizana ain’olona aza izany. Ho an’ilay kamio nitondra akondro nifaoka sprinter avy any Mahajanga ohatra dia tetezana tsy nisy arofanina no nifanenan’izy ireo ka Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy vokatry ny loza nitranga. Nipitika ilay sprinter ka tafavoaka teny ivelany nandritra izany Itompokolahy. Vao tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo indray dia fiara iray avy any atsimo no niantona teo amin’ny tetezana iray tsy nisy arofanina tao Ambatolampy, tranga mbola mitohy hatramin’ny omaly. Kamiao lehibe iray ihany koa mantsy no nianjera tany anaty rano tao Ambohimandroso Avaratra, disitrikan'Anjozorobe izay mbola vokatry ny tsy fisian’ny arofanina ihany. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Nilon-drano saika tsy avotra kosa ny mpamily sy ireo olona tao anatiny vokatry ny hamaroan’ny rano tao anatin’ilay fiara.
Pati
Legende: Ity ilay kamiao nifatratra tao anaty rano !
Simba tanteraka ny lalana etsy Soanierana ampitan’ny Descour.