hasiam-panamboarana ao anatin'ny kaominina Ambavahaditokana, distrikan'Atananarivo Atsimondrano. Miainga ao an-tampon-tanana izy io miazo ny hopitaly. Raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny Tanana Ratoetrarinanja Jean Louis dia teti-bolan'ny kaominina madiodio no hanaovana ny asa izay mitentina 50 tapitrisa Ar. Mbola misy amin'ireo rarivato teo aloha mantsy no hampiasaina amin'ity asa fanamboaran-dalana manaraka ity. Fatratra mantsy fa tsy dia lavorary loatra ilay asa natao teo aloha ka nandratra olona mihitsy. Tapaka ny tongotr'ity farany ary voatery naiditra hopitaly izy, antony nahatonga ny fitarainana nipaka tany am-poto-tsofin'nyBen'ny tanana sy ireo mpiara-miasa aminy. Haharitra herinandro maromaro ny asa. Tsiahivina moa fa tsy diso anjara amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona ny kaominina Ambavahaditokana.Zazalahy kely manodidina ny 200 isa no noforaina maimaim-poana ny faran'ny herinandro teo no sady notolorana kilalao sy malabary.
Pati
Légende : Ny Ben'ny Tanana Ratoetrarinanja Jean Louis !