airtel

Fifamoivoizana

03-août-2026

KAOMININA FENOARIVO

Vonona hanamboatra tobim-

Sample post image

piantsonana azy manokana

03-août-2026

Latsaka anelanelany foana ny kaominina Fenoarivo, distrikan'Atsimondrano hatreto manoloana ireo kaominina namana manodidina azy. Eo anelanelan'ny kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo no misy azy. Ny tobim-piantsonana hiantsonan'ireo taxibe mandalo eo aminy koa dia tsy azy irery fa hitambarany amin'ny kaominina hafa. Manoloana izany indrindra dia fantatra fa vonona hanamboatra tobim-piantsonana ho azy manokana ny kaominina Fenoarivo, raha toa ka izay no tena filan'ny mponina. Izany no nambaran'ny Ben'ny tanana Mbolantseheno Michel raha nanontanian'ny mpanao gazety izy. Mikasika ny fifanomezan-tanana ny amin'ny mety hisian'ny fitohanana mandritra ny fanamboarana ilay lalam-baovao etsy Anosizato, tetikasa Fly over dia nambarany fa efa vonona ny kartie mobila sy ny polisy kaominaly hanampy ny Fitondram-panjakana hanala fahasahiranana ny vahoakan'Atsimondrano. Marihina moa fa tena nisaotra sy nankasitraka manokana ny Fitondrana Fanavaozana ny Ben'ny tananan'ny kaominina Fenoarivo noho izao ezaka sy finiavana nataony entina hamahana ny fitohanana eny Atsimondrano izao.
Pati
Légende : Atoa Mbolantseheno Michel, Ben'ny tananan'ny kaominina Fenoarivo !
 

Dans la même rubrique