airtel

Fifamoivoizana

15-mars-2023

Fifamoivoizana

Lakana rendrika tany Ankazomborona Niampy 11 isa indray ireo razana hita omaly

Sample post image

Niampy 11 isa indray omaly ireo razana hita narendriky ny lakana tany amin’ny Nosy Faly, Ambanja raha nikasa handeha hitsoaka an-tsokosoko tany amin’ny Nosy Mayotte.

15-mars-2023

Notsenaina tao Ankifigny ny 19 isa tamin’izy ireo omaly raha 34 isa kosa no tontaliny hatreto. Maro tamin’izy ireo hoy ny vaovao no efa lanin'ny biby ny manodidina ny masony, ny orony, ny sofiny ary ny vavany….Raha nahazo loaranom-baovao azo dia dobo teo anelanelan'ny Nosy Faly distrikan’Ambanja sy Ankazomborona distrikan’ Ambilobe ny ankamaroan’izy ireo ka voatery nidina ifotony ny tafika an-dranomasina sy APMF niejry azy ireo. Fantatra tamin’izany fa anisan’ireo olona saika hiondrana an-tsokosoko any amin'ny Nosy Mayotte izy ireo. Amin'ireo 34 isa maty ireo moa dia zaza ama-behivavy ny ankamaroany ary avy ao Ambilobe avokoa. Zazakely 02 izay tombanana eo amin'ny 04 taona sy 02 taona ny roa ka ny iray zazakely 02 taona avy ao Nosy Be nampitondraina olona. Efa any Mayotte mantsy ny Renin’ity zaza tsy manan-tsiny ity hoy ny vaovao miandry azy. Indrisy anefa.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,

Card image cap
15-mai-2025

Nanitsy ny saran-dalany ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra toy ny miazo

Card image cap
15-mai-2025

Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,

Card image cap