airtel

Fifamoivoizana

01-avril-2026

LALAM-PIRENENA FAHAROA

Fiara iray voatsindrin'ny

Sample post image

kaontenera, olona 2 no namoy ny ainy

01-avril-2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena faha-2 miazo an'i Toamasîna omaly Talata 31 Martsa. Fiara kely iray, marika Toyota nitondra olona vitsivitsy no voatsindrin'ny kaontenera avy teo amboniny, toerana miala kely an’i Manjakandriana. Vokany, namoy ny ainy teo noho eo ireo olona mianaka tao anatin'io fiara marika Toyota io. Mbola tsy fantatra kosa ny tohin ireo olona sasany voalaza ho naratra mafy. Mbola tsy fantatra mazava moa hatramin'ny fotoana nanoratanay ny tena antony nahatonga ny loza. Ny hany fantatra dia toa vady aman-janak'ilay mpamily ireo olona 2 namoy ny ainy. Tsy vitsy moa ireo olom-pirenena nitaraina raha vantany vao nahare ity tranga mampalahelo ity mikasika ny hetraketrak'ireo fiara lehibe any amin'ny lalam-pirenena faharoa iny. Sady mandeha mafy izy ireo no mibahana hany ka mitera-doza tahaka izao amin'ny ankapobeny.
Pati

Légende : Fisaka tahaka izao ilay fiara notsindrian'ny kaontenera !
 

Dans la même rubrique