airtel

Fifamoivoizana

19-janv-2026

LALANA IVATO- SABOTSY NAMEHANA

Tovolahy iray nitondra fiara,

Sample post image

maty latsaka tany anaty rano

19-janv-2026

Nitrangana lozam-pifampivoizana namoizana any tany amin'ny kaominîna Sabotsy Namehàna. Ny Sabotsy 17 Janoary lasa teo tokony ho tamin'ny 08 ora alina no nitrangan'izany, teo amin'ny lalana rarivato Tsarasaotra/Antsofinondry hivoaka ny lalam-pirenena fahatelo. Raha araka ny vaovao azo dia lalana mahitsy, ivelan'ny tanana no nitrangan'ny loza, avy any Ivato miazo an'i Sabotsy Namehana.Fiara Golf Type 1 iray miloko fotsy no niala lalana ka nivarina anaty rano. Olona iray no tao anatiny dia ny mpamily izany. Tonga namonjy voina ny zandary miisa 4 avy amin'ny Borigadin'i Sabotsy Namehana sy ny mpamonjy voina ao Analakamahitsy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana ilay mpamily saingy indrisy fa teny an-dàlana ihany dia tapitra ny ainy.Tombanana ho vokatry ny fandehanana mafy sy vokatry ny fisotroana alikola no nahatonga ny loza. Raha araka ny fantatra moa dia nahitana tavoahangina gold blanche miisa 4 tao anatin'ilay fiara nentin'Itompokolahy ka ny iray mbola tsy nisokatra.
Pati
Légende : Nifamonjena tahaka izao ilay fiara sy olona lasibatra !
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka

Card image cap
04-mars-2026

Napetraka ny laharam-pahamehana sy ny tondrozotra

Card image cap