airtel

Fifamoivoizana

05-juil-2021

Fifamoivoizana

Lalana rocade d’Iarivo Voasakana ny sarety, voarara ny fiara mijanonjanonana

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo olona mampiasa ny lalam-baovao Rocade Iarivo miainga etsy amin’ny Marais Masay miazo an’Amoronakona By Pass ankehitriny.

05-juil-2021

Nametraka fepetra araka izany ny tompon’andraikitra mba hisorohana ny loza mety hitranga izay hiarahan’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, ny ministeran’ny filaminana anatiny, ny kaominina Antananarivo renivohitra….miara-manapaka. Anisan’izany ny tsy fahafahan’ireo karazana fiara mijanonjanona eny amin’iny lalana iny ankoatra ireo taxibe nahazo alalana irery ihany izay hijanona amin’ny toerana tokony hanalany mpandeha ihany koa. Tsy azon’ireo mpanao mariazy hakana sary araka izany eny an-toerana. Voarara mihitsy kosa ny fahafahan’ny sarety mampiasa ny lalana raha efa voatokana ny lalana ho an’ny mpitondra bisikileta sy ny mpandeha an-tongotra. Ho an’ireo fiara maniry handeha mafy kosa dia amin’ny ankavanana no tokony ho lalany raha any amin’ny ankavia ho an’ireo izay te-hisongona ny fiara eo alohany.Voarara ihany koa ny fahafahan’ireo mpivarotra mivarotra eny an-toerana izay miaraka amin’ny fiara mihitsy ny sasany mivaro otra zava-pisotro ho an’ireo olona tonga mitsangatsangana eny amin’ny rocade. Tsiahivina hatrany moa fa mbola fampianarana no mandeha amin’izao. Tsy mbola misy ny fanasaziana hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
Legende : Nalefan’ny polisy nandeha ireo fiara nijanojanona

Sarety 12 naverin-dalana, mpitondra bisikileta 10 nosakanana

Mitohy ny fanentanana ataon'ny Polisy ho an'ireo olona tsy manara-dalàna mampiasa ny lalam-baovao eny amin'ny rocade d’Iarivo . Omaly maraina fotsiny ohatra dia : sarety miisa 12 no voatery naverin-dalana; fiara mijanona amoron-dalana miisa 06 no nalefa nandeha; mpitondra bisikileta miisa 10 no nasaina namonjy ny toerana voatokana azy ireo.Misy ihany koa ireo olona mikasa hivarotra amoron-dalana no nobeazina tsy hanao izany fa hitady toerana hafa voatokana amin'izany. Tsy hijanona ny fanentanana fa hitohy hatrany , hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana tsy hitranga ary koa hitandroana ny foto-drafitr'asa tsy ho simba sy haloto.Mila fahatsapan-tena avy amin’ny tsirairay ihany koa ny zavatra tahaka izao fa ny fahasahiranana tsy midika hoe mahazo mandoto sy manimba ny fotodrafitrasa iombonana ary tokony ezahana hanajaina ilay hoe arabe ho an’ny fiara, trottoir ho an’ny mpandeha an-tongotra ary tsena ho an’ny mpivarotra.Tena mety sarotra fa tsy maintsy atao mba hampisy filaminana; tsy maintsy misy ny fanombohana fa raha ho tanterahana ny sitrapon’ny tsirairay dia tsy hisy na inona na inona ho vita eto, ary lasa politikan’ny samy maka ho azy fotsiny fa tsy mba fanajana ny soa iombonana mihitsy.

 

Pati sy RTT

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap