airtel

Fifamoivoizana

30-juin-2021

Lalana Rocade Iarivo Tsy azo hivarotana, 50 km

ora ny hafainganam-pandeha

Sample post image

Misy mpivarotra mitetika ny hivarotra sahady eny amin’ny lalam-baovao Rocade Iarivo taorian’ny nanokanana ity foto-drafitrasa ity tamim-pomba ofisialy.

30-juin-2021

 Tsy vitsy ireo efa mamaritra ny toerana hivarotany noho ny hamaroan’ny olona sy ny fiara mivezivezy eny an-toerana isan’andro. Nametraka fepetra avy hatrany ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT manoloana izany. Nambaran’Atoa Reribaky Jeannot tale jeneraliny fa tsy azo hivarotana eny amin’ny Rocade na iza na iza. Tsy azon’ny taxibe hampiasaina ihany koa ny lalana raha afaka mampiasa izany koa ny taxi brousse sy ny fiara lehibe toy ny kamiao. Ho an’ireto farany manokana anefa dia tsy maintsy manaja ny ora voatokana hivoahany izy ireny ary manaja ilay hafainganam-pandeha 50 km isan’ora. Tsy mbola azo hipetrapetrahana ihany koa ilay abris bus eny an-toerana mandrapisian’ny lamina vaovao. Izany rehetra izany no hatao moa dia hisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety ateraky ny hamaroan’ny olona eny an-toerana. Anisan’ny tanjona napetraka mantsy ny hanamaivanana ny fahasahiranana ateraky ny fitohanana eto an-drenivohitra indrindra fa ny mivoaka ny lalam-pirenena faharoa.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap