Araka ny fampitam-baovao voaray dia misy lalana amboarina eo amin’ny kaominin’Ambohidratrimo ka anton’ity tohamboivoy nampikaikaika ireo nampiasa iny lalana iny ity. Azo lazaina efa an-taonany maro ihany no nametrahana ny fanontaniana hoe fa inona no antony tsy hanatontosana ny karazana asa toy itony amin’ny andro alina eto Madagasikara tahaka ny hita any amin’ireo firenena mandroso? Tsy maintsy aseho ho hitan’ny olona amin’ny andro atoandro ve izany fa raha tsy izany tsy hitan’ireo olompirenena hoe miasa ny mpitondra na ny fitondrana? Ny bainga voavadika no vavolombelon’ny asa, hoy ny ohabolan-drazana izay. Heverina fa tsy fisehosehoana akory angamba no dikan’izany. ny asa vita koa no ifampitsarana, hoy ilay, mpanao politika malaza dia malaza izay sy ny antoko tarihiny. Fantatry ny olona foana ianao hoe niasa no dikan’izany rehefa hitany eo ny vokatr’izay asa natao izay fa tsy voatery hampaneno lakolosy hatrany hoe jereo izahay fa miasa!
J. Mirija
Olona iray nitaingina moto ihany koa omaly no namoy ny ainy teny Ambanintsena any amin’ny lalam-pirenena faharoa. Raha araka ny vaovao azo dia nifanehitra tamin'ny kamiao iray lehibe ity moto izay nana taingin-droa ity.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo avaratr'Andranomanelatra amin’ny lalam-pirenena faha-7, fidinana hiditra ny tananan'Andranotsara,