airtel

Fifamoivoizana

20-oct-2021

Fifamoivoizana

Loza nahafaty an’i Kevin Yang Nidoboka am-ponja vonjimaika ilay ramatoa

Sample post image

Naiditra am-ponja vonjimaika ilay ramatoa 43 taona voasaringotra ho tompon'antoka tamin'ny lozam-piarak, nahafatesana an'ilay teratany sinoa vao 17 taona antsoina Kevin Yang,

20-oct-2021

teny Mandrisoa Ivato ny 23 septambra laza teo. Ankoatra ny nahasaringotra azy tao anatin’ny lozam-pifamoivoizana, dia voalaza fa anisan’ny niampangana azy ihany koa ny fandaingana nandritry ny fanadihadiana natao, hoy ny tatitra. Voalaza mantsy fa nanonona fiara hafa ity vehivavy ity, saingy afaka madiodio hatreto ny mpamily ilay fiara marika Starex notononiny satria voalaza fa nanaporofo ny tsy nisian’ny fahadisoan’ity farany ny horonan-tsary. Nisy moa ny fanazavana niely tamin’ny tambajotran-tserasera omaly avy amin’ny manodidina ilay ramatoa io ho setrin’ny hetsika nataon’ireo teratany sinoa teny anoloan’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ny alatsinainy teo, saingy tsy naharo azy izany io hatreto. Voalaza ho niovaova matetika rahateo ny fanazavana nentin’ilay voasaringotra. Tetsy ankilany, dia maneho firaisan-kiana sy famoahana ny heverin’izy ireo fa marina eo ambany fahatokisana ny fitsarana Malagasy. Amin'ny 29 oktobra ho avy izao moa no hiakatra fampanoavana ny raharaha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap