airtel

Fifamoivoizana

13-oct-2021

Fifamoivoizana

Loza tany Ankaramena RN7 Maty ilay zaza 9 taona, maty avokoa izy 4 mianaka

Sample post image

Tovovavy kely iray isan’ireo tra-doza tamin’ilay loza mahatsiravina tany Ankaramena ny alatsinainy maraina teo no nanaovana antso avo no notsaboina tao amin’ny CHU Tambohobe Fianarantsoa.

13-oct-2021

Nanaovana antso avo izy io noho ny tsy fahafantarana ny havany satria niara-maty nandritra ity loza ity ny Ray aman-dReniny sy ny zandriny. Indrisy anefa, fa araka ny vaovao azo omaly, dia nodimandry ny alin’ny alatsinainy ihany koa ity zazavavikely vao 10 taona ity, rehefa nialana nenina tao amin’ny Hopitalin’i Tambohobe, ka nanao ny ainy tsy ho zavatra aza ny mpitsabo dia izao tsy tana izao ny ainy. Araka ny rindran-damina napetraky ny CHU Tambohobe, nisy ny fampidiran-drà natao taminy noho ny ratra be, saingy tsy nahatazona ny ainy. Raha ny fanampim-baovao moa, dia voalaza fa avy any Antsiranana ireto fianakaviana kely ireto no niainga, nikasa hihazo an’Ihosy, saingy indrisy fa tao anatin’ny fotoana fohy monja dia niara-maty ny ankohonana iray manontolo. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’izy 4 mianaka manontolo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap