airtel

Fifamoivoizana

01-juin-2026

Lozam-pifamoivoizana

mahatsiranina

Sample post image

Mpianaka indray maty teny amin’ny Rocade Amoronankona

01-juin-2026

Nitranga lozam-pifamoivoizana mahatsiravina omaly 31 Mey 2026 tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo amin’ny lalam-pirenena RN 65, PK 01+200, eo amin’ny Rocade Iarivo amin’ny toerana antsoina hoe Ravitoto, Fokontany Amoronankona, Kaominina Ambohimangakely, Distrikan’Antananarivo Avaradrano. Fiara kely marika Volkswagen type 251, minibus TCP avy any Ambohimahitsy hihazo an’Amoronankona no tra-doza. Araka ny fanazavana dia nandeha mafy ilay fiara teo amin’ny lalana fiolahana ka nandona andrin-jiro ary nivadika ambony ambany. Vokatry ny loza, olona roa no namoy ny ainy, dia ny mpamily 48 taona sy ny zanany lahy 17 taona. Na dia nentina haingana teny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana (CENHOSOA) aza dia tsy tana ny ain’izy ireo. Miisa enina kosa ireo naratra tao anatin’ny fiara ka samy nentina notsaboina. Sesilany ny loza namoizana ain’olona sy naharatrana, ka entanina hatrany ny rehetra mba hitandrina sy hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Toky R

 

Dans la même rubrique