Lehilahy vao erotrorony antsoina hoe Andriambeloson Aina Cyril, teraka ny 26 jona 1999 izany hoe vao 27 taona monja no namoy ny ainy, maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy teny Nanisana-Ambatobe ny sabotsy teo. Nandeha moto izy io, no tra-doza, voalaza fa nodomin’ny fiara tsy mataho-dàlana saingy nitsoaka. Nisy nahita anefa, ka efa tratra omaly ilay teratany vahiny izay voalaza fa nitondra Toyota Hilux pick-up miloko grenat, voarohirohy tamin'io lozam-pifamoivoizana lozam-pifamoivoizana io. Tsy nijanona izy taorian'ny fifandonana, na dia efa nisy mpitondra « môtô » roa aza niantso azy hiverina hijery ilay olona nodominy. Ireo mpitondra môtô roa ireo ihany no niezaka naka sary an'ilay fiara sy nizara izany tamin'ny tambajotra Facebook, izay nanampy tamin'ny fikarohana. Heloka maromaro araka izany no mety hanenjehana an’io mpamily io toy ny vono olona tsy niniana natao, fandosirana taorian’ny lozam-pifamoivoizana natao, tsy famonjena olona anaty loza,… Mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana izay hisiana faty olona indrindra eo amin’ny fifandonan’ny môtô sy fiara noho ny antony maro : tsy fahafehezana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, tsy fifanajana, hetraketraka, setrasetra, fandraisana alikaola,… Tsapa eny an-dalambe eny ny toa lonilony, izay misy lesoka avy amin’ny andaniny sy ny ankilany avy, rehefa tena jerena akaiky. Mila mitandrina, mifanaja, mifanabe, manaja lalàna sy fitsikpika,… satria karazana fiahamonina iray ny fifamoivoizana fa ny karazana fiara ampiasaina no samihafa.
Toky R