Nahatratra 202 isa ireo lozam-pifamoivoizana nitranga teto Antananarivo sy ny manodidina hatramin'ny volana Jona teo, izany hoe : nandritra ny tapa-taona voalohany. Kodiaran-droa sy fiara ny ankamaroan'izy ireo izay fantatra fa vokatry ny tsy fanarahan-dalana avokoa. Misy ankizy vao 15 sy 16 taona mantsy dia efa mitondra moto nefa mbola tsy mañana taratasy fahazoan-dalana hamily akory no sady tsy mahafehy ny lalan'ny fifamoivoizana. Nahatratra 41 isa izy ireo raha araka ny fanadihadiana natao raha miisa 93 kosa ireo nisotro toaka nefa namily. Tamin'ny fetin'ny 25 sy ny 26 Jona teo monja dia nahatratra 20 isa ny lozam-pifamoivoizana nitranga. Miisa 16 no fantatra fa naratra mafy vokatr'izany, 3 tany amin'ny toeran-kafa raha miisa 3 ihany koa ireo namoy ny ainy. Nomarihin'ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka eo anivon'ny Faritra Analamanga moa fa mañana lalana maro mifehy ny fifamoivoizana isika saingy tsy nampiasaina. Manampy trotraka izany ny hafotsok'ireo moto sy bisikileta izay mibahana ny lalan'ny mpandeha an-tongotra hany ka lasa mirotsaka any amin'ny arabe fampiasan'ny fiara ireto farany. Ny fanentanana sy ny Fanabeazana ihany araka izany no vahoalana hatolony. Ho an'ny Polisim-pirenena manokana dia notsiahiviny fa efa naverina ny polisin'ny lalana hanoro sy hanitsy ireo mpampiasa lalana no sady manara-maso ihany koa.
Pati
Légende : Handratrana olona matetika ny lozam-pifamoivoizana !