tao amin’ny fokontanin’Amorondria Namehana, mitsofoka Antsofinondry mivoaka lalam-baovao Ivato, hoy ny fampitam-baovao voaray. Lehilahy miisa 4 no tao anatin'ilay fiara 4*4 na tsy mataho-dalana ary naratra mafy ny 3 tamin’izy ireo noho ilay fiara nivadibadika. Nisy tapaka ny tanan'izy ireo raha toa ka nahita ratra mafy ihany koa ny lohan'ny hafa. Raha ny nambaran'ny nanatry maso dia fandehanana mafy no antony nahatonga izao loza izao. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avy hatrany izy ireo hisitraka ny fitsaboana tandrify azy avy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,
Nanitsy ny saran-dalany ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra toy ny miazo
Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,