airtel

Fifamoivoizana

14-nov-2022

Fifamoivoizana

Manjakavaradrano, kaominina Mahatsinjo Fiara sprinter iray no nilatsaka an-tanimbary

Sample post image

Fiara sprinter mpitatitra olona no tra-doza nilatsaka an-tanim-bary sahabo ho 20 metatra miala ny arabe tao anaty fidinana sy fiolahana teny amin’ny lalam-pirenena faha-4 (PK 202+300), Manjakavaradrano,

14-nov-2022

kaominina Mahatsinjo, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Tsy nisy aina nafoy tao anatiny fa samy naratra avokoa. Simba tanteraka ny fiara noho izy nivadibadika ambony ambany. Araka ny fitantaran'ny mpandeha dia tapaka hisatra sady nandeha mafy tao anaty fiolanana sy fidinana ilay fiara. Nitondra mpandeha 25 isa avy nanatitra taolam-balo tany Ikalalao, distrika Ambohimasoa, faritra Matsiatra ambony ho any amin'ny fokontany Anosinalainolona, distrika Marovoay, faritra Boeny io fiara io no izao tra-doza izao. Nalefa any amin’ny CSB2 Andriba ireo olona miisa 20 tena naratra mafy. Isan'izany ireo mpamily roalahy ary efa misy miambina ihany koa ny entan'ny mpandeha sy ny fiara, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,

Card image cap
15-mai-2025

Nanitsy ny saran-dalany ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra toy ny miazo

Card image cap
15-mai-2025

Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,

Card image cap