airtel

Fifamoivoizana

15-mars-2023

Fifamoivoizana

Mpamily taxibe sy ny mpanampy azy Mizaka ny vavan’ny mpandeha isan’andro

Sample post image

Vavan’olona roa, mpandeha taxibe raha kely no tsy maintsy zakain’ ireo mpamily taxibe sy ny mpanampy azy amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany isan’andro.

15-mars-2023

Raha araka ny resaka nifanaovana tamin-dRanaivo mpamily taxibe iray eto an-drenivohitra dia vao maraina dia efa tsy maintsy omaniny amin’izany ny fony. Tena maharary ilay izy raha araka ny fanazavany saingy tsy maintsy zakaina satria tafiditra ao anatin’ny asa fitadiavana. Anisan’ny santionany notantarainy tamin’ny gazety Tia tanindrazana ny fijanonana amin’ny tobim-piantsonana. Efa saika leo fitohanana ny ankamaroan’ny mpandeha hoy izy koa raha vantany vao mijanona kely ny mpamily dia efa mandeha ny vava. Ho an’iny faritra Itaosy sy Ampitatafika iny izay anisan’ny toerana be fitohanana dia efa zary sakafon’ny mpamily mihitsy raha vao raikitra ny double ny vavan’ny mpandeha hoy hatrany izy. Misy aminay mpamily mantsy hoy izy no mbola mijanona manala olona eo Antanimenakely. Toraka izany koa ny eny amin’ny Coca nefa tsy mihoatra ny 10 minitra ny double koa raha vantany vao tara izay dia efa tavela ao anaty fitohanana indray. Ankoatra izay hoy hatrany Ranaivo dia anisan’ny vavan’ny mpandeha tsy maintsy zakaina ihany koa ny fahaelan’ny famerenana famerim-bola hataon’ny resevera. Misy manompa mihitsy ny sasany hoy hatrany izy fa tsy maintsy zakaina.
Pati
Legende : Mafy ny mahazo ireo mpamily taxibe sy ny mpanampy azy amin’ny ankapobeny
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap