fasan'ny Karana tsy te-hifindra eny Amoronakona fa afaka mijanona amin'izao toerana misy azy izao ihany, indrindra fa ireo miazo ny lalam-pirenena fahafito. Nivoitra izany taorian'ny fihaonan'izy ireo tamin'ny tale jeneralin'ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT ny faran'ny herinandro teo. Malalaka amin'ny safidiny ny tsirairay noho izany. Ho an'ireo mpitatitra sasany tsy mety hiala dia nambaran-dRandrianandrasana Patrick izay nisolo tena ireo mpiasa ao amin'ity tobim-piantsonana iray ity fa misy antony ny hidongian'izy ireo hijanona eny amin'ny Fasan'ny Karana fa tsy sanatria fanoheranabe fahatany ny fanapahan-kevitry ny lehibe akory. Voalohany hoy izy dia ny halaviran-toerana. Tafakatra avo roa na telo heny mantsy ny saran-dalana tsy maintsy alohan'ireo mpivarotra avy any Analakely sy Behoririka avy maka entana hihazo ny Faritra raha tsy maintsy mifindra eny Amoronakona izy ireo. Faharoa hoy hatrany izy nanohy ny fanazavany dia ny fitohanana. Mety ho lany ora 3 raha kely hoy izy ny fiara iray vao tafavoaka eny amin'ny By Pass miala eny Amoronakona. Mikasika ny filazan'ny mpandraharaha iray ny maha-azy ny tany misy ny tobim-piantsonana etsy amin'ny Fasan'ny Karana dia mangataka fanohanana sy fanampiana avy amin'ny Fitondram-panjakana izy ireo mba hanao ny fanelanelanana. Vonona izy ireo ny hanatsara sy hikarakarana ny foto-drafitrasa saingy tsy noesorina eny kosa ho fitsinjovana ny mpanjifa.
Pati
Légende : Manan-tsafidy malalaka ireo mpitatitra etsy amin'ny Fasan'ny Karana na hifindra na tsia !