airtel

Fifamoivoizana

28-févr-2022

Fifamoivoizana

Mpitondra fanjakana Tsapa ve fa tsy ilaina maika ny teleferika ?

Sample post image

Tany amin’iny tapany Atsinanan’ny Nosy iny ny Filoha Ankehitriny Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro teo. Tany Tanambao Manampotsy, tany Anosibe An’ala,…

28-févr-2022

 Nampahafantarin’ny olona ny fijaliany amin’ny resaka làlana satria ny tany Tanambao Manampotsy làlana 45km, ohatra, no atao adin’ny valo. Ny RN23A miala eo Moramanga hatrany Anosibe An’ala potika tanteraka. Tra-pahasahiranana ny mponina eto Anosibe An’Ala sy ireo kaomina manodidina azy noho ny fahasimban’ny làlana. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza ANA dia tapaka tanteraka, ka tapaka ihany koa ny fivezivezen’ny olona sy ny entana ary mitarika fidanganan’ny vidimpiainana izany. 3 andro no anaovan’ny kamiao ity lalana mirefy 71km ity izay lalan-tany lasa lalam-potaka. « Koa satria mampikaikaika ny mponina izy ity dia hataon’ny Fitondram-panjakana ho isan’ny laharampahamehana ny hanamboarana azy haingana amin’ny ampahan’ny hetra azo avy amin’ny Orinasa Ambatovy. Tsy mendrika ny hiaina ao anaty fotaka intsony tokoa mantsy ny Mponina », hoy i Andry Rajoelina. Mba efa tsapan-dRajoelina amin’izay ve tsy laharam-pahamehana kokoa ny teleferika eo anatrehan’ny zavatra mahazo ny olona manena ny Nosy sy ny distrika? Ampahany ihany io hitany tany Tanambao Manampotsy sy Anosibe An’ala io, ary mampahatsiahy ny tenin’ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa izay nampiaka-peo azy hoe: satria ve tsy vita ny làlana ary dia tsy hanao fampandrosoana. “Isika ve nahazo vola amina fiaraha-miasa amina firenena roa , vola trosaina dia maninona no tazonina amina toerana iray, kanefa ilay filàn’ny firenena any amin’ny faritra mbola goavana sy mivelatra be. 151 tapitrisa euros tsinjaraina amin’ny distrika 119 hanokafana làlana,… Mandra-pahoviana vao tena ho tongan’ny fiara any amin’izany Midongy Atsimo, Vondrozo, Nosy Varika, Tanambao Manampotsy, Anosibe An’ala, Marolambo, Kandreho, Tsaratanana,….”, hoy ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa, izay naneho fa Madagasikara aza tsy mifandray akory dia inona no hihazakazahana amina tefeleferika, ka tokony ho hay ny mandahatra ny laharam-pahamehana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap