airtel

Fifamoivoizana

13-juin-2022

Fifamoivoizana

Noho ny resaka volamena 73,5 kg Sakanana tsy hiditra eto ny fiaramanidina Afrikanina Tatsimo ?

Sample post image

Sakanan’i Madagasikara ny fidiran’ny fiaramanidina rehetra avy atsy Afrika Atsimo, araka ny nambarann’ny fampahalalam-baovao Afrikanina Tatsimo Daily Maverick ny faran’ny herinandro teo.

13-juin-2022

Anton’io ny tsy famerenan’ity Firenena ity ny volamena 73,5kg nentina lehilahy Malagasy miisa 3 tratra tany amin’ny seranam-piaramanidin’i OR Tambo de Johannesburg ny 31 desambra 2020. Nangataka ny fampodiana a’ireo ny Fanjakana Rajoelina, saingy tsy hamelan’ny Afrikanina Tatsimo hatreto. Manamafy ny ao Pretoria fa tany amin’io firenena io no nahatrarana ny fandikan-dalàna ka mila arahana ny lalàna any an-toerana, raha ny voalazan’io fampahalalam-baovao any an-toerana io. Voarakitra ao anatin’ity fampahalalam-baovao ity ihany koa ny filazana fa tsy faly amin’I Afrika Atsimo I Andry Rajoelina. Ny taona 2018 mantsy, dia nandoa vola tamina orinasa Afrikanina Tatsimo mba hanomezana fiaramanidina hampiasain-dRajoelina tamin’ny Propagandy ny Antoko TGV saingy tsy nomen’ilay orinasa akory izany, hoy ny Daily Maverick. Eo anatrehan’ny fandrarana ny fidiran’ny fiaramanidina Afrikanina Tatsimo, dia nilaza ny Filoha Tale Jeneralin’ny Airlink Rodger Foster fa efa niresaka tamin’ny Fanjakana Rajoelina sy ny Ambasadaoro Afrikanina Tatsimo eto Sisa Ngombane mba hanatsaharana ny fandrarana. Hatramin’izao anefa tsy misy fanazavana mazava momba ny fandrarana. Ny hany setriny, dia ny taratasy nataon’ny Minisitry ny fitaterana Roland Ranjatoelina fa voaray soa aman-tsara ny taratasy nalefanay, hoy ny Afrikanina Tatsimo. “Isika irery ny firenena mbola hanakatonan’I Madagasikara sisin-tany, raha toa ka efa nisokatra tamin’ny firenn-drehetra nanomboka ny aprily”, hoy I Rodger Foster tao amin’ny Daily Maverick. Nanamarika moa ny Afrikanina Tatsimo fa ny fiaramanidina tratra nitondra ny volamena dia ana orinasa Malagasy. Miantraika any amin’ny lafin-javatra hafa satria misy mpandraharaha Afrikanina Tatsimo mampiasa vola amin’ny sehatra maro eto: fizahantany, varotra am-bongadiny, varotra antsinjarany,… Io izany no paikady sy tsindry ara-diplaomatika heverin’ny fitondrana fa tsindry ahafahana mamerina ny volamena sy ireo nitondra azy. Hahomby ve io ary haharitra mandra-pahoviana? Inona no mety ho fiantraikany ara-diplaomasia?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap