airtel

Fifamoivoizana

22-déc-2025

Notapahan’ny fokonolona

ny RN2 «Mitodika aminareo tomponandraikitra

Sample post image

mba hitana ny teny nataonareo!»

22-déc-2025

Notapahan'ny fokonolona ny lalam-pirenena faharoa na RN2 teo Manjakandrina, hoy ny fampitàm-baovao voaray ny sabotsy teo. Naharitra ora maro ny fahatapahana. Ny antony tsy dia mazava fa fokonolona tezitra tsy naharay vola, hono, hoy ny mpandraharaha, filohan’ny ONG Ny fanahy mahaolona, Ny Rado Rafalimanana. Nihitsoka ny fifamoivoizana efa ho kilaometatra maro ary anisan'izany ny delegasionin’ny ONG Ny fanahy mahaolona niaraka tamin'ireo manam-pahaizana vahiny rehefa avy tany Toamasina nametraka ny Ny Radoagri Cooperativa Agribusiness, hoy izy. Ny hita dia tsy misy fandraisana andraikitra fa mitazana no maro an’isa. Nidina nandray andraikitra ho mpanelanelana ny mpandrindra nasionalin’ny ONG Ny fanahy mahaolona ary rehefa nifampiresaka am-pitoniana dia niravina ny resaka satria ny soatoavina malagasy izay fihavanana no natao lohalaharana. Mitodika aminareo tomponandraikitra izay nampanantena ireo fokonolona ireo mba hanefa ny adidinareo sy mba hitana ny teny nataonareo fa efa fotoanan'ny fiovàna izao! Fehiny, ny fokonolona no masimandidy, koa mila mihaino ianareo tomponandraikitra. Izay ilay hoe «Ny fanahy maha olona, ny hery tsy mahaleo ny fanahy.», hoy hatrany i Ny Rado Rafalimanana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique