airtel

Fifamoivoizana

16-sept-2022

Fifamoivoizana

Olan’ny “taxi” sy “taxi-moto” Manomboka ny fanimbanana fananana

Sample post image

Misy te hamboly korontana ve eto sa misy te hampiseho tsotra izao ny maha jiolahimboto azy, hoy ny mpanolontsain’ny tananan’Antananarivo, Clémence Raharinirina?

16-sept-2022

Tato anatin'ny herinandro izay dia “taxi” na fiarakaretsaka anankiroa no novakian'ny mpitondra moto ny “parebrise”-ny, hoy izy. Ny iray teo akaikin'ny sampanana Ambohitrimanjaka ary ny iray indray dia vao anio (TTF: omaly) teo akaikin'ny Jovena ampasika. Ilay tranga voalohany tamin’ny herinandro; misisika dia manao vava dia vao nanazava ilay “taxi” dia mody nandeha ilay moto dia nanao tampody fohy avy eo ary avy hatrany dia nitoraka ny “parabrise” dia nitsoaka. Voatery nanolo “parebrise” ny tompony ny ampitson'io ihany. Ilay anio indray dia tsy nisy resaka na kely aza fa avy hatrany dia navoakany ilay vato efa teny aminy dia notorahany ny “parebrise” ary nilefa izy. Mampametra-panontaniana ahy hoe iza no hanana kakay amin’ny “taxi” ka ho tonga amin'ny fanimbana fananan'olona toy izao? Raha jerena amin’ity hafatra miafina na MP anaty tambazotran-tserasera Facebook miendrika fandrahonana nalefan'ny kaonty fako tamiko ity kosa dia mazava fa misy raha ao ambadika ao ary vakiana fotsiny ny zava-misy. Hendry loatra tokoa angamba ireo “taxi” dia araraotina? Mazava ho azy fa ilay olona iray izay hatrany no rangory fototry ny afo amin’izao zavatra rehetra izao. Tadidio ity teniko ity fa mbola hisisika foana izy sy mbola handrisika an'ireo foana izy. Mihevitra izao ry zareo fa hampihemotra anay ny fandrahonana sy ny hetraketraka? Izaho manokana dia sahy matoa mijoro ary tsy hihemotra na ho vy na ho vato amin'ny zavatra heveriko fa rariny, hitsiny ary ara-dalana. Izahay tsy manana olana amin'ny kodiaran-droa fa tsy hanaiky kosa ny fanimbana fananana toy izao izay ataon'ireo mpietraketraka mihevitra azy ho ambonin’ny lalana sy indrindra mihevitra azy ho manana lamosina miaro. tonga amin’ny fitenenana hoe saka matory no alam-bolombava ka dia ho hitantsika eo ny tohiny, hoy hatrany ny tenany, manoloana ity fifanimbana fananana noho ny olan’ny “taxi” sy “taxi-moto” ity omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap