airtel

Fifamoivoizana

27-juil-2022

Fifamoivoizana

Orinasa nanao làlana “Aza terena hanaotao foana izahay, milela-paladia”

Sample post image

« Aza terena izahay hanaotao foana fa olon-kendry izahay ireo, ary raha hanao izahay mahavita ! Tena mandohalika ary milela-paladia aminao izahay Atoa Filoha fa inona no ratsy nataonay ?

27-juil-2022

Milale-paladia anao izahay, ary izahay tsy hanimbazimba anao, mafy ny mahazo anay, be ny tapaka làlan-dra, be no efa maty, ao ny mety higadra noho ny taratasim-bola tsy misy antoka satria tsy mety mivoaka ny vola kanefa nitrosa nanao ny asa, ny tany efa lasa, ny fiara lasa,… Milela-paladia Atoa Filoha hoe: Filohanay ve ianao sa filohan’olon-kafa àry”, hoy ireo orinasa mpanao làlana omaly, nanao antso, nilanja sora-baventy. Nanamafy izy ireo fa nanaraka ny lalàna niainga tamin’ny antso tolobaro-panjakana ny nanaovan’izy ireo ny asa, izay tao anatin’ny 2019-2020 ny ankamaroany. Nanamafy fa vita ny asa nataony, ary nanaraka ny fenitra. Mametra-panontaniana ireto mpandraharaha ireto hoe: nankaiza marina ny volan’ny FER (Fonds d’Entretien Routier) izay novain’ny Fanjakana ho FR (Fonds Routier) moa vao tonga izy ireo? Tao anatin’ny roa taona ny fitakiana saingy hatramin’izao vitsy ireo nahazo ny volany. Efa tonga hatrany amin’ny hoe: milela-paladia ka asa hoe: Fanjakana mbola manan-tsofina ny eto sa dia efa mitsentsina inona loatra? Nankaiza ny vola sa nisy nanakepoka ka ny hafa no mizaka ny ngidiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap