Milaza izy ireo fa ireo nanavotra ireo mpitsoa-ponenana indray no nisy nampidirina am-ponja, hatramin’ny Filoham-pokontan’Ankazomborona, misy vehivavy lehibe renin-jaza satria nisy tamin’ireo olona saika hitsoaka no nisy bevohoka ka noraisiny an-tànana,… Ireo olona nitsoa-ponenana indray no nisy navotsotra, fa olon-kafa no nampidirina am-ponja, hoy hatrany ny fitarainana. Misy amin’ireo olona nogadraina no avy any Anjiabe, misy ny avy any Ankazomborona,… Misy mpanjono izay manana karatra mazava, olona tokony ho vavolombelona sy tsy manan-tsiny indray no nogadraina, fa ny olona tokony ho tazonina navotsotra maimaimpoana, hoy hatrany ny fitarainana. Mahagaga anay ny zava-misy fa mahare izahay hoe: misy ny famotorana, ary misy olona atao fakana vola, hoy hatrany ireo mahatsiaro ho lasibatra.
Toky R
Saika ahenoana taraina foana ny mponin’Itaosy rehefa andro Zoma tahaka izao na koa
Fiara iray voalaza ho mitondra Katy no niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao