airtel

Fifamoivoizana

05-déc-2025

Raikitra ny grevy

faoben’ny Mpiasan’ny Madarail

Sample post image

Mitaky fanovana sy mangarahara, manome 72ora ! »

05-déc-2025

Niditra amin’ny fitokonana faobe ny mpiasan’ny Madarail nanomboka ny omaly 04 desambra ary kasainy hanohy hatramin’ny rahampitso 6 desambra. Hetsika natao ho fanehoana ny tsy fankasitrahan’izy ireo amin’ny fepetra iasana sy ny fitantanana tsy mazava ao amin’ny orinasa, raha ny filazan’ireo mpiasa. Ao amin’ny « preavis de grève » navoakan’izy ireo tamin’ny 3 desambra, voaresaka mazava ny olana efa nitarazoka: karama sy tombontsoa tsy voaloa, kolikoly, ary fanararaotam-pahefana. Manatsikafona ny mpiasa fa efa nisy fatiantoka goavana, toy ny fahaverezan’ny 14 miliara ariary tamin’ny 2009, ary hatramin’izao dia mbola tsy mazava ny momba ny famatsiam-bola sasany. Ankoatra izany, ny fifanarahana momba ny « concession » dia niova imbetsaka: tamin’ny 2003 dia voafetra ho 25 taona, nefa tamin’ny 2006 dia nampitomboina ho 50 taona, ka mampitombo ny ahiahy momba ny fitantanana sy ny fahamarinan’ny fifanarahana, hoy izy ireo. Ankoatra ireo, manenjana amin’ny fitakiana samihafa ny mpiasan’ny Madarail :Fampiakarana karama sy tombontsoa izay efa taona maro no tsy niova ; fanovana ny fitantanana sy fanesorana ireo mpitantana heverina ho tsy mahomby ; fanafoanana ny fifanarahana amin’ny VECTURIS, izay mahazo vola 120 000 euros isan-taona sy 1 % amin’ny vola miditra ; fanatanterahana audit mba hanazavana ny raharaham-bola sy hanesorana ny ahiahy momba ny kolikoly. Nanambara mazava ny mpiasa fa tsy hiverina hiasa mandra-pahafeno ny fitakiany ao anatin’ny 72 ora. Raha tsy misy valiny, dia hitohy isan’andro ny fitokonana. Manampy trotraka ny fitarainany ny filazana fa mbola misy olona tompon’andraikitra tamin’ny fahasimban’ny Madarail tavela ao amin’ny ministeran’ny fitaterana, ka mangataka ny fanesorana azy ireo. Manoloana izao toe-draharaha izao, nanao antso mivantana amin’ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika mba hiroso amin’ny fanadiovana sy fanavaozana ny fitantanana, ho famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka sy ny fahamendrehan’ny orinasam-panjakana ny mpiasan’ny Madarail. Andrasana ny tohiny !
Toky R

 

Dans la même rubrique