izay marihina fa mpitondra entana no nitondra olona maromaro saingy nivadika ka olona am-polony no naratra mafy. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia zaza amam-behivavy ny ankamaroan’ireto farany ka misy ny tapa-tongotra, misy ny tapa-tanana…. Na izany aza tsy mbola nisy kosa ny aina nafoy hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Efa nentina nihazo ny hopitaly akaiky ilay toerana nitrangan’ny loza rahateo ireo naratra rehetra. Raha araka ny fantatra moa dia niala lavaka ity kamiao ity. Ny entana anefa teo an-daniny navesatra ka tsy nahazaka izany ilay fiara hany ka nivadika avy hatrany. Tsiahivina hatrany moa fa ny 80%-n’ny loza miseho tahaka izao dia vokatry ny olana ara-teknika mahazo ny fiara avokoa. Ny 20% ambiny kosa dia vokatry ny tandrevaka hataon’ny mpamily toy ny fandraisana zava-pisotro mahamamo, ny tsy fahampian’ny torimaso, ny fandehanana mafy…..Tsy ho an’ny lalam-pirenena fahafolo ihany fa mbola betsaka ireo faritra eto amintsika no tsy misy taxi-brousse antony manosika ireo mpandeha hitaingina itony kamiao lehibe mpitatitr’entana itony. Mbola adidin’ny fanjakana avokoa izany rehetra izany saingy toa tsy misy mpijery mihitsy na dia efa aina maro aza no nafoy.
Pati
Legende : Nivadika tahaka izao ilay kamiao !
Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,
Nanitsy ny saran-dalany ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra toy ny miazo
Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,