airtel

Fifamoivoizana

13-juil-2026

RN4-Loza mahatsiravina

2 maty tsy tsa-drano, maro ireo naratra

Sample post image

Nirangana lozam-pifamoivoizana

13-juil-2026

mahatsiravina tany amin'ny lalam-pirenena fahaefatra afak'omaly Sabotsy 11 Jolay tokony ho tamin'ny 11 ora alina. Fiara fitateram-bahoaka marika Sprinter miisa 2 no nifandona mafy nifanatrika. Ny iray ho any Mahajanga raha hiakatra eto Antananarivo. Teo amin'ny kaominina Ambodiarana Antanimbary no nitrangan'ny loza. Vokany, vehivavy miisa 2 no maty tsy tra-drano hatramin'ny fotoana nanoratanay. Mbola misy atahorana mafy mantsy ny ain'ny sasany naratra araka ny fampitam-baovao azo. Potika tanteraka ireo fiara roa nifandona. Tapaka nandritra ny fotoana maharitraritra mihitsy moa ny lalana tao Antanimbary noho ity lozam.pifamoivoizana ity . Fotoanan'ny Fialan-tsasatra lehibe izao ary maro ny olona sy fiara mivezivezy amin'ny lalam.pirenena indrindra iny lalam.pirenena faha.4 mihazo an'i Mahajanga iny. Misy fotoana tsy ampy ny isan'ny fiara miohatra amin'ny isan'ny olona taterina ka matetika ireo fiara fitateram-bahoaka no manao "Dona miverina". Tena mamohehitra io fomba iray io satria tena mitera-doza tokoa. Reraka tsy misy fialan-tsasatra ny mpamily , ny lalana rahateo lavitra ka izay no tombanan'ny maro ho mahatonga izao loza mahatsiravina tahaka izao. Manginy fotsiny ny tsy fanaovana "entretien" na fikojakojana ny fiara fa maika hanenjika tour . Manainga ny tompon'andraikitra mifehy ny Fitaterana sy Fifamoivoizana arak'izany ho hentitra dia hentitra amin'ny fanaraha-maso ireo fiara fitateram-bahoaka mivezivezy eny amin'ny lalam-pirenena rehetra eny mandritra izao fotoam-pialan-tsasatra izao hisorohana ny loza sy ny famoizana ain'olona tsy manantsiny tahaka izao.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandriaka tahaka izao ny ra !
 

Dans la même rubrique