airtel

Fifamoivoizana

30-juin-2026

Sambo LCT Caroline rendrika

Avotra avokoa ireo olona 18 tao anatiny

Sample post image

Voamarina fa velona avokoa ny olona 18

30-juin-2026

ny mpanamory sy mpandeha izay nentin’ny amin’ny sambo LCT Caroline, rendrika tany Atsinanan’ny Nosy. “Velona avokoa izy rehetra, saingy reraka mafy” , araka ny tatitry ny Borigadin’ny zandarimaria ao Vatomandry. Niainga tao amin’ny seranan’i Toamasina tamin’ny alahady 28 jona tamin’ny 5 ora maraina ity sambo ity. Ankoatra ny olona 18, nitondra entana be dia be izy: 254 taonina vary fotsy, menaka anatry bidon, kamiao misy remorque, ary entana isan-karazany. Tra-doza tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, teo anelanelan’i Andevoranto sy Vatomandry, taorian’ny fidiran’ny rano tao anaty sambo, ka nahafefika azy. Nihetsika avy hatrany ny OMC (Organe mixte de conception) ao Vatomandry, nandrindra ny fikarohaa, ary teo ihany ny ekipa mpamonjy voina nalefa tamin’ny sambo kely Zodiac, ny ekipa SAR an’ny APMF izay niakatra tao amin’ny « vedette » Atsantsa mba hanampy amin’ny asa famonjena. Ny maraina dia efa nisy olona iray hita, roa hafa tamin’ny 11 ora, ary tamin’ny 2 ora tolakandro vao nahitana sy namonjena ny olona rehetra tao anaty sambo. Nanao gilet de sauvetage » izy ireo, ka nahamora ny fahitana azy. Araka ny tatitry ny zandarimaria, sambo efatra no niainga niaraka tamin’ny Caroline avy tao Toamasina. Very any anaty rano avokoa ireo entana samihafa. Ny zava-dehibe aloha izany dia avotra avokoa ny mpandeha sy ny fahitana ny sambo, fa tsy toy ireo tranga tany aloha. Mbola feno misitery mantsy, ohatra, ny tsy fahitana ny sambo AW herintaona aty aoriana satria ny 16 jona 2025 no nanjavonany, raha niainga tao Mahajanga hiazo an’i Anjouan Nosy Comores. Mbola tantara hafa ny nanjavonan’ny Sambo Gasikara izay tsy nahitana mangirana tao anatin’ny 35 taona. Ny alin’ny 29 hifoha ny 30 janoary 1991 no voalaza fa rendrika tao avaratra atsinanan’ny nosy Maorisy i Gasikara, raha nifanojo tamin’ny rivo-doza « Bella ». Nanao iraka haka vary tany Bangkok Thaïlande io sambo Gasikara io, hamatsiana ny vahoaka Malagasy, ka ny Commandant Razanamazava Jocelyn, nampian’ny lefiny, ny second capitaine, Razakambelo Telesphore, niaraka tamin’ny chef mécanicien, Ravalitera Diadème, nahitana ihany koa ny maître d’équipage, Mousa Marc (Bosco), izay rafozan’i Roland Ratsiraka, ary ireo ekipa niisa 33 mirahalahy no mpiara-dia tao anatin’izany sambo tsy mbola hita popoaka hatramin’izao izany, izay betsaka ny resaka nandeha sy tombatombana amin’ny maha mety mbola velon’aina ny sasany tao anatiny, saingy tsy nahitana mangirana.
Toky R

 

Dans la même rubrique