airtel

Fifamoivoizana

29-juin-2023

Fifamoivoizana

Sambo maty teny an’ivon-dranomasina Hita ihany ireo mpanarato miisa 8

Sample post image

Na eo aza ny fandraràna tsy hiandriaka, noho ny andro ratsy dia mpanarato miisa 8, izay vehivavy ny iray, no niainga tao Maromandia,

29-juin-2023

Nosy Boraha na Sainte Marie, hihazo an'Antsiraka Antanifotsy, distrikan'i Soanierana Ivongo, ny alahady tolakandro teo, hoy ny fampitam-baovao voaray. Maty ny maoteran'ilay sambon'izy ireo, nony teny anivon-dranomasina, raha ny fanazavana voaray. Nanomboka teo, tsy hita popoka. Nandefa angidimby hitady azy ireo ny fanjakana, raha ny vaovaon'ny governoran'ny faritr'Analanjirofo. Ny alin’ny alatsinainy teo no nahazoana antso an-tariby izy ireo nilaza fa mahita "pylône" miisa 2 misy jiro mena. Notombanana ho ireo "pylône" ao Antanambe sy ao Seranambe, distrikan'i Mananara Avaratra, ireo tsinjon'izy ireo io. Nitohy ny fikarohana. Raha ny heno dia efa noana sy malemilemy izy ireo. Sarotra ihany koa ny fifandraisana an-tariby, raha ny fanazavana voaray. Hita soa aman-tsara tany Ampolahambe, Kaominina Ambanizana, distrikan'i Maroantsetra, ny lakana sy ireo olona 8 tao anatiny. Tsy misy ny aina nafoy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly, ka misaotra sy mankasitraka hatrany ireo nanome tanana sy nampita vaovao, hoy hatrany ny tomponandraikitra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,

Card image cap
15-mai-2025

Nanitsy ny saran-dalany ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra toy ny miazo

Card image cap
15-mai-2025

Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,

Card image cap