airtel

Fifamoivoizana

13-juil-2026

SANDAKATRA-BAKA NAMORONA

Taksibrosy nifandona tamin'ny ambulance

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana omaly

13-juil-2026

Alahady 12 Jolay maraina tao Sandakatra, hiditra Baka Namorona, 15 km miala an' Irondro hihazo ny distrikan'i Manakara, lalam-pirenena faha-12. Taxi-brousse Sprinter iray avy any Antananarivo no fantatra fa nifandona tamin'ny fiara mpitondra marary na ambulance. Tsy nisy ny aina nafoy, saingy nisy kosa ireo naratra kely ary simba ny sisin'ilay taxi-brousse. Tapaka tao anatin'ny fotoana fohy moa ny fifamoivoizana vokatr'izany. Noho ny lalana malama moa no heverina ho antony nahatonga ny loza, raha araka ny fanazavan'ireo nanatri-maso. Somary manerika rahateo ny toetr'andro any amin'iny faritra iny. Ny lalana anefa tena tery no sady misy ampahany ratsy ka mitaky fahamailoana. Ho an'ny lalana mampitohy an'Irondro sy Ranomafana dia fantatra fa fiara 2 isan'andro raha kely no misolifatra amin'iny lalana iny. Misy ireo fiara simba matetika ankoatra ireo mpandeha ao anatiny maratra. Tsy lazaina intsony ny tebitebin'ireo mpandeha. Ilaina tanteraka noho izany ny fahamailoan'ireo mpamily indrindra amin'izao fotoanan'ny Fialan-tsasatra lehibe izao. Tafiditra ao anatin''izany ny tsy fandehanana mafy. Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao no fitrangan'ny loza !
 

Dans la même rubrique