airtel

Fifamoivoizana

23-nov-2021

Fifamoivoizana

Sprinter tra-doza teny amin’ny RN4 Vehivavy 62 taona namoy ny ainy

Sample post image

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina namoizana ain’olona indray tany amin’ny lalàm-pirenena fahaefatra na RN4 miazo an’I Mahajanga iny.

23-nov-2021

 Fiara taksibrosy ao amin'ny kaoperativa KOFIAM, avy any Ambositra hamonjy an’i Mahajanga no tra-doza teo amin’ny “croisement Boanamary” 20 km tsy hahatongavana tao amin’ity renivohitry ny Faritra Boeny ity ny alahady 21 novambra tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany. Niala lalana ka nivadibadika ilay fiaraka, araka ny fanazavan'ny mpandeha tao anatiny. Vehivavy lehibe iray 62 taona no namoy no ainy, vokatr’izany, ary potipotika ny fiara. Mbola manaraka fitsabona eny amin’ny hôpitaly CHU Androva Mahajanga kosa ireo rehetra naratra tamin'ity loza ity, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap