no tapaka hisatra tampoka ny Sabotsy atoandro teo ka saika namono olona maro. Vato voarary simenitra na irony antsoina hoe : borne amin'ny sisin’ny arabe irony no nanohana azy ka mba tafajanona ihany. Efa hikiaka sy antsoatso tsy nifandrenesana ny an’ireo olona nanatri-maso raha toraka izany koa ireo mpandeha tao anatiny. Vinavinaina ho nanimba fananana maro toy ny tsena sy namono olona maro toy ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo mpandeha tao anatiny moa ary ireo fiara nifanena taminy ity taksibe ity raha sanatria ka tsy tafajanona. Ny 80%-n’ny lozam-pifamoivoizana mitranga rahateo dia vokatry ny olana ara-teknika mahazo ny fiara avokoa raha vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily ny 20%. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitsarana fiarakodia. Tokony hisy mihitsy ny fanaraha-maso hentitra ireo fiara tonga mandalo eo anatrehan’izy ireny indrindra fa ireo fiara mpitatitr’olona hialana amin’ny loza mety hamoizana ain’olona tampoka tahaka izao.
Pati
Legende : Potika tahaka izao ny lohan’ilay fiara !
Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,
Nanitsy ny saran-dalany ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra toy ny miazo
Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,