Manodidina ny 5.000 Ar ka hatramin’ny 10.000 Ar isan’olona izany. Noho ny hamaroan’ny mpandeha midina miazo ireo faritra ireo no voalaza fa antony mampiakatra ny saran-dalana. Lasa 120 isa isan’andro mantsy izao ireo taxi brousse miainga etsy amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana izay niakatra 100 % nanomboka tamin’ny fetin’ny Noely ka miazo ny faritra Atsinanana avokoa ny 30%-n’izany. Raha araka ny fanadihadiana natao moa dia noho ny tsy fisian’ireo mpandeha miakatra eto an-drenivohitra no antony nampiakaran’ireo taxi brousse ny saran-dalany. Nihena kosa ireo taksibrosy miazo ny lalam-pirenena faharoa sy fahaefatra ary fahaenina raha oharina tamin’ny vanim-potoana talohan’ny fetin’ny Krismasy. Nahatratra 250 isa mantsy izany tamin’ny faran’ny herinandro teo raha manodidina ny 100 amin’izao. Marihina moa fa samy hentitra amin’ny fampiasan’ny mpandeha arovava orona ireo tobim-piantsonana roa ireo amin’izao hisorohana ny valan’aretina Covid 19 tsy hiparitaka. Toraka izany koa ny fampiasana ilay fitaovana fitsapana hafanana eo am-piaingana. Miantso ireo mpitondra fiara mba tsy ho handray zava-mahamamo sy hitandrina tsara araka izany ny tompon’andraikitr’ireo tobim-piantsonana ireo hisorohana ny olana sy ny fahasahiranana mety hitranga.
Pati
Efa nanomboka ny famendrahana ny tara na “goudron” ny lalana mampitohy an'Ankadimbahoaka sy By Pass ny orinasa manamboatra iny lalana iny omaly,
Hanomboka hiasa amin’ny volana aogositra ho avy izao ny Train Urbain na zotran-dalamby an-tanàn-dehibe eto Antananarivo.