airtel

Fifamoivoizana

30-mars-2022

Fifamoivoizana

Taxibe Ivato Mbola hitohy ny fitokonan’ny zotra D

Sample post image

Hitohy hatramin'ny rahampitso Alakamisy ny fitokonana tanterahin'ireo taxibe ao amin'ny zotra D izay mampitohy an'i Vasakaosy sy Alakamisy Ambohidratrimo.

30-mars-2022

Miandry valiteny avy any amin'ny tompon'andraikitra izahay hoy ireo mpamily taorian'ny fandefasana taratasy fitarainana natao. Anisan'ny tena tsy zakanay hoy izy ireo ny fanenjehan'ny polisy sy ny zandary anay manomboka amin'ny 05 ora maraina isan'andro. Mandeha moto mihitsy izy ireo hoy hatrany ny mpamily iray ary maka ny antontan-taratasin'ny fiara mihitsy amin'ny resaka tsy fananana visière na dia efa manao aron-tava aza. Tsy azo ny antontan-taratasin'ny fiarakodia hoy hatrany ity mpamily ity raha tsy handoavana 40.000 ka hatramin'ny 50.000 Ar. Nilaza fa leo izany fanararaotam-pahefana hataon'ny polisy sy ny zandary izany izy ireo. Hangatahin'izy ireo ihany koa ny hahafahany mitondra mpandeha amin'ny seza afovoany na volamena amin'izay. Hahazoan'izy ireo 10.000Ar isaky ny tour iray mantsy izany rehefa tena betsaka ny mpandeha. Marihina moa fa tena nijaly fatratra ireo mpandeha niazo an'Ambohidratrimo nanomboka tamin'ny alatsinainy teo vokatr'ity fitokonana notanterahin'ny taxibe ao amin'ny zotra D ity.


Tsara ho marihina fa tsy mbola foana hatreto aloha ny fahamailoana ara-pahasalamana ka noho izany mbola mihatra daholo ny fepetra sakana ; anisan’izany ny fanaovana aro vava orona miampy visière ho an’ireo reseveran’ny taxi be rehetra.
Pati
Legende : Miziriziry ireo taxibe ao amin'ny zotra D
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap