airtel

Fifamoivoizana

13-avril-2023

Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana MAKI Andohatapenaka

Sample post image

Misy disadisa eo amin’ny mpamily fiara sy ny mpitantana

13-avril-2023

Raikitra ny disadisa eo amin’ireo mpamily sasany sy ireo mpitantana eo anivon’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka. Tsy mahazo miditra na mivezivezy ao amin’ity tobim-piantsonana ity intsony mantsy iretsy voalohany raha tsy tompona « tour » izany hoe : miaraka amin’ny fiara entiny hiasa.
TSY MPANGALATRA IZAHAY
Efa ho herinandro izao raha araka ny nambaran’ireo mpamily 120 lahy miasa miazo ny lalam-pirenena faha-6, faha-4, faha-2 ary voalohany no nihatra tamin’izy ireo izany fepetra izany. Tsy misy mahazo miditra ao amin’ny parkazy intsony izy ireo na dia iray aza raha tsy manana fiara entina. Raha araka ny fanazavan’izy ireo anefa dia izy ireo avokoa no mamelona ny olona rehetra miasa ao amin’ny parkazy. Rehefa nanontaniana hoy ireo mpamily ny lehiben’ny gara dia nambarany fa fandaminana ny resaka fandriampahalemana no antony namoahana azy ireo eny ivelany rehefa tsy miasa. Izahay anefa hoy izy ireo tsy mpanendaka no sady tsy mpangalatra. Misy camera de surveillance rahateo ao amin’ny tobim-piantsonana hoy hatrany izy ireo ka tokony ho hitany izay manao ratsy. Takian’izy ireo araka izany ny hanomezana azy ny zo feno hivezivezy ao amin’ity tobim-piantsonana ity. Nomarihin’izy ireo moa fa misy olona mitady saofera mila azy ireny mba hamelomany ny vady aman-janany ka avy hatrany dia ao amin’ny tobim-piantsonana avokoa no mamantana sy mitady.
Legende : Ireo mpamily milaza ny hitokona raha tsy voavaly ny olan’izy ireo
FANAPAHAN-KEVITRY NY LEHIBEN’NY KOPERATIVA
Rehefa nanontaniana ny mikasika ity tranga ity ny mpitantana eo anivon’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka Ranaivoson Fidy dia nambarany fa fanapahan-kevitry ny lehiben’ny koperativa ao amin’ity ivon-toeram-piasana iray ity nanomboka tamin’ny 13 Febroary teo izany fa tsy fanapahan-keviny samy irery. Ny antony hoy izy dia mba hisian’ny filaminana. Izay miasa sy tompona toro ihany no miditra amin’izay tsy manelingelina ny hafa. Rehefa tsy manana fiara entina mantsy ny mpamily iray hoy izy ka tena hiondrana any amin’ny faritany marina dia lasa manera sy mivarotra olona fotsiny. Mikasika ny mety hisian’ny fitokonana hataon’ireo mpamily moa izay marihina fa nanome 48 ora azy ireo dia nomarihiny fa manan-jo hitokona tokoa izy ireny saingy tsy ao amin’ny tobim-piantsonana fotsiny. Ho an’ireo te-hiasa kosa hoy izy dia avelao izy ireny hiasa satria mbola maro ireo manenjika ny volan’ny banky….
Pati
Legende : Fanapahan-kevitry ny lehiben’ny koperativa iny , hoy i Fidy Ranaivoson, mpitantana ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap