airtel

Fifamoivoizana

16-juin-2021

Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana Nametraka toerana fanaovam-baksiny avokoa

Sample post image

Anisan’ny toerana tena be olona mpivezivezy ny eny anivon’ny tobim-piantsonana.

16-juin-2021

 

 

 

Tafiditra ao anatin’ireo toerana ahiana sy hanaparitaka haingana ny valan’aretina Covid 19 izy ireny araka izany, antony nanosika ny tompon’andraikitra hametraka toerana fanaovam-baksiny eny amin’izy ireo. Ankoatra ny tobim-piantsonana etsy amin’ny Maki Andohatapenaka dia nametrahana izany ihany koa ny ao amin’ny Tobim-piantsonana Fasan’ny Karana ka mandritra ny 3 andro no hanaovana izany vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 izany izay tsiahivina hatrany fa maimaim-poana no sady tsy an-tery. Ho an’ny andro voalohany omaly dia fantatra fa ireo mpamily no tena navitrika tamin’ny fanaovam-baksiny ankoatra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Na izany aza dia mbola azo lazaina ho vitsivitsy ihany ireo tena resy lahatra, hetsika mboa hitohy anio sy rahampitso iarahana amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

 

Pati

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap