airtel

Fifamoivoizana

23-nov-2021

Fifamoivoizana

Toby fiantsonana Ampasampito Nitombo 5000 Ar ny saran-dàlana

Sample post image

Efa nilaza sy nanamafy ny voalaza tamin’ny 10 novambra ny avy amin’ny Minisiteran’ny fitaterana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy,

23-nov-2021

 ary ireo solontenan’ny mpitatitra ny faran’ny herinandro teo, fa tsy misy fiakarany izany ny saran-dalàna manomboka ny 22 novambra, saingy tsy voahaja izany. Omaly, nampiakatra ihany ny mpitatitra tetsy amin’ny Toby fiantsonana Ampasampito. Niakatra ho 20.000Ar ny saran-dàlana mihazo an’i Vatomandry raha 15.000Ar izany teo aloha. Lasa 25.000 Ar ny mihazo an’ Ilaka Est raha 20.000 Ar izany teo aloha, 30.000Ar raha 25.000 Ar izany teo aloha. Nilaza ireo mpitatitra fa hitokona izy ireo raha toa ka midina indray io saran-dalana io satria maty antoka izy ireo. Nisy mihitsy ny karazana fampitandremana nataon’ny manampahefana ny herinandro teo, fa tsy azo atao ny mampiakatra saran-dàlana fa ny komity manokana izay hotendrena amin’ny alalan’ny didim-panjakana ihany no manapaka izany, saingy tsy te hiraharaha an’izay izany ireto mpitatitra ireto. Aiza ho aiza ny fipetraka sy fankatoavana ny fahefam-panjakana amin’izany? Ara-drariny ve ny fampiakarana amina elanelany 5000Ar be izao? Rahoviana marina vao ho tafatsangana ilay komity handinika ny toe-draharaha ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap