airtel

Fifamoivoizana

26-mars-2024

Trano fiantohana MAMA

Napetraka ireo delegasionina mpanara-maso

Sample post image

Napetraka teo anivon’ny trano fiantohana MAMA ny faran’ny herinandro teo ny atao

26-mars-2024

hoe «superviseur délégué» na delegasionina mpanara-maso avy amin’ny komity mpanara-maso sy mpiahy ny banky sy fitantanana ara-bola eto Madagasikara na CSBF. Tanjona, hoy ny fanazavan’ny governoran’ny banky foiben’i Madagasikara, Aivo Andrianarivelo, dia hanatsarana sy hahatonga ity trano fiantohana ity ho matihanina kokoa eo amin’ny sehatry ny fiantohana. 6 volana no hiarahan’izy ireo miasa amin’ny trano fiantohana, hoy izy. Andraikitr’izy mirahalahy napetraka voalohany ny fanamarihana ny toe-draharaha nisy teo anivon’ny trano fiantohana teo am-pahatongavany, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny CSBF, Seheno Ranaivoson. Ny fiarovana ny mpanjifa moa dia iantohan’ny trano fiantohana ihany fa ny momba ny banky na ny fikirakirana ny vola rehetra no hananganana an’io, hoy izy. Tsy azo avoaka amin’ny vahoaka ny vokatry ny fitsirihina raha tsy efa vita, raha ny fanazavany hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap