airtel

Fifamoivoizana

25-févr-2021

Fifamoivoizana

“Transport par cable” eto Iarivo Roa taona ny asa, “Cabines” 274 no hapetraka

Sample post image

Zava-baovao nambara fa hotanterahina ao anatin’ny roa taona ny fitaterana “transport par cable”

25-févr-2021

 

 

 

eto an-dRenivohitra, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Azo heverina fa karazana “téléphérique” ihany io fa ny fiantsoana azy no novaina kely. Anosy-Ambatobe mirefy 9,21km antsoina hoe Zotra mena na “ligne rouge” ahitana fiantsonana 4 sy pylones miisa 19 ka 30 minitra no hanaovana izany; Anosy-Ambadinia (Zotra Mavo) 2,60km ahitana fiantsonana 8 sy pylons 56 ka ho 10 minitra eo ny faharetany dia tonga. “Cabines” 274 afaka mitondra olona 10 ka hatramin’ny 12 no hiasa amin’ireo zotra ireo ka eo amin’ny 28 000 ka hatramin’ny 38000 no ho voatatitra isan’andro, raha ny fanazavana ara-teknika. Mandritra ny 2 taona no hanatanterahana ny asa, ary nambara fa hovitaina mialohan’ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara ny taona 2023. Ny Orinasa POMA sy COLAS no hanao ny asa, ary efa eo am-panatanterahana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. Hiandraikitra ny fanarahana sy fanatanterahana ny asa ny Fiadidian’ny Repoblika, ny minisiteran’ny fitaterana, ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ary ny tanànan’Antananarivo. Mitohy ny fampanantenana, ary fomba fanao isaky ny filankevitry ny Minisitra io, indrindra tato anatin’ny vanim-potoana nafana. Efa noresahina ny Tramway eto Antananarivo, ny Autoroute Toamasina-Antananarivo izay nangingina indray aloha, ny Autoroute Andohatapenaka-Imerintsiatosika,… Tsy leo mampanantena ny fitondrana, saingy ny hoenti-manana aloha mbola baraingo. Asa ihany koa raha tena mifandraika amin’ny olam-bahoaka na izay aloha no mba revorevon’ny mpitondra dia tsy maintsy izay no atao.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap