airtel

Finoana

29-juil-2025

FJKM AMPANDRANA

Nahazo trano fonenana vaovao ny mpiasa iombonana

Sample post image

Trano fonenana vaovao ho an’ireo mpiasa iombonana eo anivon’ny FJKM Ampandrana

29-juil-2025

no notokanana omaly Alatsinainy 28 Jolay. Ny Oniversity FJKM Ravelojaona (ONiFRa) no nanolotra azy io ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Trano lehibe ahitana efitra 3 ambany sy 3 ambony rihana izy io, raha mahatratra 39 metatra toradroa ny habeny.Notarihin’ny Filohan’ny FJKM, Dr. Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina, sy ireo solontenan’ny ONiFRa sy ny Birao Mpiandraikitra Foibe ary ny Mpiasa izany lanonana izany. Fitiavana ankitsi-po no nananganana ity trano ity, ho fanasoavana ny mpanompo ao amin’ny FJKM, hoy ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana Andriamampianina Zaka Harimasy, Mpitandrina. Manamarika dingana iray lehibe amin’ny fanatsarana ny sosialin’ny mpiasa eo anivon’ny Fiangonana moa ity fanomezana avy amin’ny ONiFRa ity, izay maneho ihany koa ny fifamatorana sy firaisankina eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny asa fitoriana.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa omaly !
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

mariky ny fifanorenana

Card image cap